
« Antony maro no hifotoran’ny safidy fa ny tena manan-danja dia lalam-pahombiazana azo atao fakan-tahaka ».
Nisy ny fihaonan’ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard tamin’ireo mpianatra avy eo andian’ny fahatelo, manaraka ny lalam-piofanana Fianarana ambony amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eny anivon’ny Sekolim-pirenena ambony misahana izany na ny Enam tetsy Androhibe, omaly. Noraisin’ireto mpianatra ho tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ireto ho ray mpiahy azy ireo moa ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, noho ireo fahazai-manao nasehony teo amin’ny lafiny, indrindra amin’ny seham-pitantanana ny raharaham-panjakana ambony. « Azo raisina ho maodely tanteraka ny Jeneraly amin’ireo lalana nodiavina ka nahatonga azy ho mpiasam-panjakana ambony. Manana toe-tsaina mivelatra amin’ny lafiny maro ny Minsitra ka ankoatry ny maha miaramila manamboninahitra jeneraly azy dia nahavita fianarana ambony amin’ny fiharian-karena sy fiaraha-monina ny tenany (…) Ary amin’ny maha ministry ny Fiarovam-pirenena azy dia afaka mizara sy mampianatra tsara ireo paik’ady sy teti-panorona isan-karazany amin’izay lafin’ny fiarovana izay, hizorana any amin’ny fampandroasoana ». Nisy moa araka izany fifampizarana sy famelabelaran-kevitra nataon’ity ray mpiahy ny andiany fahatelo ity, omaly. Nanomezany toromarika manokatra sy anatranatra ho an’ireto andiany fahatelo ireto. Fotoana manan-kaja izay natrehan’ireo mambra vitsivitsy avy ao amin’ny Governemanta : ny Ministry ny asam-panjakana sy ny Ministry ny Fitsaràna. Tonga nanatrika izany ihany koa ny Talen’ity Sekoly ambony momba ny fitantan-draharaham-panjakana ary ireto manam-pahefana sivily ary miaramila.
m.L