Dahalo niova fo fito no tonga nanatitra ny basy vita gasy fampiasan’izy ireo tamin’ny asa ratsy nataon’izy ireo hatramin’izany tany amin’ireo zandary tao Andilamena. Basy tefy gasy miisa efatra izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo. Marihana fa olon-dratsy nandravarava tany amin’iny faritra iny izy ireo ary avy amina tanana iray, antsoina hoe, Betalevana, kaominina Bemaintso. Tonga saina tamin’ireo asa ratsy natao ka indro fa namerina ireo fitaovam-piadiana nampiasany hatramin’izay.
Ambeti-tenin’Atoa Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary matetika dia ny hoe « tsy fahavalo tsy akory ny dahalo fa mpiray tanindrazana sendra mba nihoam-pefy fotsiny ». Araka izany tsy amin’ny alalan’ny fitifirana sy fifandonana foana no mety vahaolana hiadiana amin’ny asan-dahalo sy hametrahana ny fandriampahalemana fa isan’ny tetik’ady ampiasain’ireo mpitandro filaminana ihany koa ny fifanatonana sy ny fifampiresahana ary ny fanentanana isan-karazany. Antony iray nahatonga izao vokatr’izao. Fa teo ihany koa ny fiaraha-mientan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tany an-toerana, na olon-tsotra na olobe, na mpitondra fanjakana na mpitondra fiangonana. « Hita fa efa mizotra mankany amin’ny filaminana raha ny ao Andilamena ary ho ampiana isa ny Zandary ao anatin’ny Vondro-tobi-paritry ny Zandarimaria ao atsy ho atsy araka ny fandaminana », hoy hatrany ny fampitam-baovao. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola misy ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana, hitadiavana izay tena loharano sy ati-doha mpamatsy ireo « mpiray tanindrazana mpihoa-pefy ».
m.L