- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena-Dahalo : Tratra ihany i “Barinjaka”, tadiavina ny namany

Andilamena-Dahalo : Tratra ihany i “Barinjaka”, tadiavina ny namany

Tovolahy iray vao 17 taona monja, fantatra amin’ny solon’anarana hoe “Barinjaka” no voasambotry ny zandary tany amin’iny distrikan’Andilamena iny ny talata lasa teo. Voarohirohy ho isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana nitranga tao amin’ny kaominina Antanimenabaka, distrikan’Andilamena, ilay zalahy ity sy ny namany. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nisy fanafihan-jiolahy mahery nitranga tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mahatsara, ao amin’ny kaominina sy distrika voalaza etsy ambony, ny alin’ny talata hifoha alarobia, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any. Na dia nirefodrefotra aza ny basy dia voalaza fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ireo fokonolona. Mazava ho azy, rehefa azon’ireo andian’olon-dratsy moa izay zavatra nilainy dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Rehefa nampandrenesina ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia nisy avy hatrany ny fanarahan-dia natao, niaraka tamin’ireo fokonolona tao an-toerana, ka io nahasamborana an’i “Barinjaka” io. Marihana, hoy ny vaovao, fa niisa dimy izy ireo no nanao ilay fanafihana tamin’io fotoana io ary mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa ireo mpitandro filaminana. Ingahy “Barinjaka” nentina nihazo ny biraon’ireo mpitandro filaminana mba hatao famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici