- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndilamena : Fakana ankeriny, olona roa no hitan’ny mpitandro ny filaminana

Andilamena : Fakana ankeriny, olona roa no hitan’ny mpitandro ny filaminana

Noho ny ezaky ny mpitandro filaminana, hita ireo olona roa tamin’ny enina nalaina ankeriny tao Andilamena.Ilay ramatoa lehibe sy zazalahy iray no hita. Raha tsahivina dia olona 8 izy ireo no tao an-trano, nisy jiolahy naka an-keriny. Ilay olona kilemaina kosa najanony,fa izy fito nentiny ,rehefa lasa lavitra dia tafaporitsaka ilay zaza iray ka io no nampilaza ny mpitandro filaminana, fa izy enina mianaka no lasan’ireo jiolahy .Araka ny loharanom-baovao dia nentin’izy ireo tany anaty ala mikitroka ireo nalaina an-keriny,Nampatoriana tanaty ala ireo ankizy, fa ilay ramatoabe sy ilay zazalahy lehibebe no nofatorana ny tànany sy ny tendany.Iny variana miresaka tamin’ny finday taman’olona voalaza fa naniraka ireto jiolahy ny alina dia nokaikerin’ilay zazalahy ny tady teny aminy ka nandositra an-jambany fotsiny izy.Raha variana nanenjika ilay zazalahy iretsy jiolahy telolahy niandry teo dia nandositra ihany koa ilay ramatoabe ,ny andro rahateo alina ka sarotra ny fifankahitana,ny maraina izy ireo no tonga tsirairay tao Andilamena izany hoe iretsy roa nandositra.Nidina ifotony indray ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny fokonolona marobe, ka nanao savahao dia tsy hita tamin’ilay toerana intsony iretsy zaza 6 miaraka amin’ilay jiolahy telo. Mbola mitohy ny fikarohana amin’izao fotoana izao, satria tsy fantatra mazava ny antony nanaovan’ireto jiolahy izao fakana an-keriny izao. Miteraka resabe ao Andilamena sy ny manodidina izao fakana olona an-keriny tsy dia fantatra mazava izao, ka lasa miteraka tsaho ratsy sy mandoto ireo mpanankarena ao an-tànana,mampitandrina ny mpitandro filaminana fa henjehina ireo mpanely tsaho .Maro ireo mitsena ny zanany renefa avy mianatra ,tsy misy ny mitaraiky hariva any amin’ny toerana misy azy rehefa mivoaka ny trano .Na ny zandary na ny miaramila Analangoaika na ny polisy dia manao ezaka goavana hampandriana fahalemana ny ao Andilamena.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser