Nokasainy hamidy telo tapitrisa ariary ity basy mahery vaika ity. Teo am-pivarotana izany mihitsy ranamana no tra-tehaky ny zandary ny talata lasa teo, tao amin’ny distrika Andilamena. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia efa dahalo rain-dahiny nampihorohoro an’iny faritra iny, raha i « Daniel ». Efa nigadra noho ny resaka firaisana tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ingahirainy saingy efa nivoaka kanefa dia mbola izao tratra saika hivarotra basy izao indray. Loharanom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana tokoa mantsy no nahafantarana fa misy olona mikasa hivarotra basy Mas 36, tao Ambohitromby, kaominina Antanimenabaka. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ka tra-tehaka tao ity olon-dratsy ity. Mbola tratra teny aminy aza ilay fitaovam-piadiana, izay niaraka tamin’ny bala iray. Tsiahivina hoy hatrany ny vaovao azo fa ity olon-dratsy ity ihany no efa voasambotra ny faha-17 septambra lasa teo, noho ny resaka asan-jiolahy hatrany, ary nampidirina am-ponja, andro vitsivitsy taorian’izay. Ny mahagaga anefa dia izy efa tafavoaka io ary mbola nanohy ny asa ratsiny. « Hatolotra ny fitsarana indray izy aorian’ny fanadihadiana dia hohita eo Indray ny ho tohiny » hoy hatrany ny fanazavàna nomen’ny zandary. Ny toe-javatra tahak’izany mihitsy matetika no mampiraviravy tanana ireo mpitandro filaminana. Izy ireo no mikely soroka, manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fisamborana ireo mpanao ratsy, miampy ny fanampiana sy ny vaovao azo avy amin’ireo fokonolona, kanefa any ambadika any dia toa votsotra ho azy hatrany izy ireny. Dia toa izay hatany hatrany …
m.L