Olona manao fanamiana mpitandro ny filaminana, mitondra basy kalaknickov 2 sy basimborona no niditra ny tanàna atao hoe Ambodifamotsotra, kaominina Bemaitso Andilamena, ny faha 16 may 2014 teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Tsy nikoropaka ireto mpisandoka ireto fa avy hatrany dia nilaza fa mpitandro ny filaminana hisava ireo olona rehetra tsy ara-dalana ka manana basimborona. Nitety trano izy ireo, ka vokany dia basimborona 3 no azony, dia iny izy ireo no lasa niala ny tanàna. Raha ny loharanom-baovao voaray aloha dia tsy nanao zavatra hafa ireto jiolahy ireto fa dia nilaza fotsiny ho iraky ny fanjakana. Nampandre ny mpitandro ny filaminana akaiky azy ihany ireo vahoaka, satria tsy dia lavitra loatra ny renivohitra ilay toerana. Teo izy ireo vao samy gaga sy talanjona fa hay jiolahy ireo nisava azy iny alina iny. Mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ny tohiny. Miraviravy tanana aoka izany ireo mponina any Ambanivolo noho izany ka manao antso ho an’ny rehetra, indrindra ity fiparitahan’ny fanamiana miaramila eny Ambanivolo ity.
Janus R
Amparafaravola
Raim-pianakaviana avy nijery video nisy namono
Tsy fantatra mazava ny famonoana fa rehefa nirava ny video, tany amin’ny tananan’Ampahitany Anorororo tany, tokony ho tamin’ny 8 ora alina, dia daroka sy tsindrona tamin’ny zavatra maranitra no nahazo ity lehilahy. Vokany: maty tsy tradrano ilay rangahy. Araka ny fanazavana dia bevohoka efa miandry andro hiterahana sisa ny vadin’ity lehilahy ity. Ny faha 16 may 2014 teo no nisehoan’izany ka efa mandeha ny famotorana rehetra.
Janus R