- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndilamena : Jiolahy mpaka an-keriny miisa dimy maty voatifitry ny zandary

Andilamena : Jiolahy mpaka an-keriny miisa dimy maty voatifitry ny zandary

Taorian’ny nahavotsotra ireo ankizy mianadahy, nalain’ny dahalo an-keriny tao Andilamena ny alakamisy teo, dia fantatra fa tsy namelan’ireo mpitandro filaminana, zandary sy ny miaramila ireo olon-dratsy mpaka an-keriny, raha tsy tra-tehaka. Nisy ny fifandonana, lavo tamin’izany ny dimy tamin’ireo jiolahy. Ny andron’ny alakamisy teo ihany, rehefa azo sy avotra soa aman-tsara teny am-pelan-tanan’ireo naka azy ireo takalonaina dia niroso avy hatrany tamin’ny fanaovana hazalambo sy ny fanarahan-dia ireo jiolahy ny teo anivon’ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-pileoavana Alaotra Mangoro, nampian’ny teo anivon’ny Tafika malagasy. Taorian’ny fikarohana dia tsy ela dia nifankatratra tao amin’ny toerana nisy kirihitr’ala tao Analamirana, fokontany Amparatsiraka, distrikan’Andilamena ny roa tonta. Nisy ny fifandonana, naharitra ora maromaro teo tamin’ireo olon-dratsy, izay tsy nilasalasala velively mihitsy nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny am-pelantanan’izy ireo, entina hanoherana ireo mpitandro filaminana. Tifitra variraka no re nanakoako tao anaty kirihitr’ala, izay niafara tamin’ny nahalavo ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny. Basy anankiroa ihany koa no azo teny am-pelan-tanan’izy ireo : basim-borona iray sy Mas 36 iray. Marihana hoy ny vaovao fa jiolahy rain-dahiny amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy fanaovana fakàna an-keriny ireto maty voatifitry ny mpitandro filaminana ireto, ary efa tena ela tokoa ny nikarohana azy ireo. Efa nampitondra faisana olona maro tamin’ireo tanana tamin’ny faritra manodidina sy mifanila amin’Alaoatra Mangoro izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany. Heverina moa fa mbola nisy hafa tafatsoaka, nandritra ity fifampitifirana ity, ka mbola mitohy hatrany any an-toerana ny hazalambo sy ny famotorana hikarohana izay mety ho namany. Ny vatana mangatsiakan’ireto maty voatifitra kosa dia efa nomena ny fokonolona tao an-toerana, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo, ho amin’ny fandevenana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici