- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Jiolahy nanao hala-botry

Andilamena : Jiolahy nanao hala-botry

Ny alarobia lasa teo tany ho any amin’ny sivy ora alina tany no nanafika tanana tao Ambohitradala-Andilamena ireto jiolahy miisa efatra izay mirongo fiadiana toy ny basim-borona sy basy vita gasy. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka raha vao niditra ny tokonam-baravarana ry zalahy dia tonga dia nanapoaka basy indroa, tsy nisy nahahetsika ny tao an-tanàna raha vao naheno ity feom-basy fa dia toran-kovitra avy hatrany. Raha vao tafiditra tao an-trano izy efa-dahy dia ny vola hatrany no notakiany tamin’ireto tompon-trano, lasan’izy ireo tamin’izany moa ny vola mitentina 110.000ar , vilia telo , poketra telo ary vatosoa 200g.

Tonga teny an-toerana moa ny borigady tany an-toerana ka mbola nahita vodim-bala calibre 12, efa nisy moa lehilahy iray notanana nanaovana fanadihadiana satria ahiahina ho isan’ireo efa-dahy nandray anjara tamin’ny fanafihana. Efa mitohy ny famotorana ka ho hita eo izay mety ho fisamborana ireto jiolahy tadiavina ireto.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser