- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Lavon’ny bala i Mbaza lehiben-dahalo 

Andilamena : Lavon’ny bala i Mbaza lehiben-dahalo 

Lehiben-dahalo iray malaza ratsy sy ikoizana amin’ny halatra omby arahina vono olona sy fanolanana any amin’ny distrikan’Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, ny talata lasa teo. Araka ny vaovao voaray, dahalo am-polony no nifampitifitra tamin’ny Zandary tao amin’ny toby fieren’ireo olon-dratsy, ny narain’ny 29 oktobra teo, tokony tamin’ny dimy ora sy sasany, tao Mangabe, Kaominina ambanivohitra Antanimenabaka. Nandritra ny fifandonana no nahafaty an’i Mbaza na Shel. Dahalo telo hafa kosa naratra mafy, saingy nentin’ireo namany nandositra. Tra-tehaka niaraka tamin’ity lehiben-dahalo namoy ny ainy ity ny basy « Kalachnikov » iray izay efa tsisy bala intsony niaraka tamin’ny fanafody gasy maro sy fitazan-davitra (paire de jumelles) izay fampiasan’ireo olon-dratsy rehefa manao fanafihana izy ireo. Tetsy andaniny, raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy nisy naratra kosa ireo mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici