Potika tanteraka ny fitadiavan’ny fianakavian-dRtoa Razafiarivony Mariette, noho ny soloky nianjady tamin’ny fianakaviana nataon’ny ramatoa iray milaza fa lehiben’ny fampanoavana eto Ambatondrazaka, sady miaraka amin’ny olona iray manao fanamiana mpitandro ny filaminana ,izay samy olona misoloky avokoa . Araka ny nambaran’ity voasoloky ity dia fa efa betsaka ny zavatra vitany tany ambanivolo ,fa ny tena tsy zakan’ny fokonolona dia ny fakany ny tany ,sy ny tanimbary . Matahotra avokoa ny fokonolona avy any Ambalabe Maitsokely, distrikan’Andilamena, amin’izao fotoana izao, ka ity ramatoa Mariette ity no nadray andraikitra niakatra teny anivon’ny manampahefana nanao ny fitoriana rehetra. Miantso ny fanjakana mahefa izahay, hoy izy ireo, mba hijery ny eny ambanivolo, satria raha manjaka ny dahalo dia izao indray ny mpisoloky no mampatahotra sy maka ny fanananay. Araka ny loharanom-baovao dia efa mandeha ny fikarohana ity vehivavy mpisoliky ity miaraka amin’ny namany ary ho hita eo ny tohiny.
Janus R