- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Mihorohoro ny mponina -tafakatra 7 ny matin’ny pesta

Andilamena : Mihorohoro ny mponina -tafakatra 7 ny matin’ny pesta

Nanomboka ny volana aogositra 2014 teo no nahitana ny tranga hafahafa  eo amin’ny fahasalamana  tao anatin’ny fokotany Sahavolo Andilamena. Nanomboka  nisy ny maty ary mbola nisy ihany koa ny narary . Raha ny loharanom-baovao  voaray dia efa voamarina  fa pesta no mitranga ao Sahavolo, tanàna iray tokony ho 15 Km miala an’Andilamena ary efa tafakatra 7 izao no maty . Nivory maika ary araka izany ireo tompon’andraikitra mahefa ao Andilamena ary dia nidina ifotony nanao ny fanentanana rehetra  amin’ny tokony hatao amin’ity trangan’aretina  mahafaty ity. Matahotra sy mihorohoro ny mponina indrindra ny ao Andilamena  amin’izao fotoana izao, ka manao antso amin’ny fanjakana ny tokony hiarovana haingana ny vahoaka amin’ity  areti-mandoza ity. Ny mponina ao Sahavolo rahateo moa dia mivezivezy isan’andro ao Andilamena.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser