- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversAndilamena : Mpividy volamena maty voatifitra, lasa ny volamena 60 gr sy...

Andilamena : Mpividy volamena maty voatifitra, lasa ny volamena 60 gr sy vola 2 tapitrisa Ar

Ny fiandohan’ny herinandro teo, lehilahy iray fantatra fa mpividy volamena no nosakanan’ny jiolahy teny an-dàlana. Tany amin’ny toerana antsoina hoe Marovato any Andilamena no nisehoan’ity fandrobana sy vono olona ity. Tsy fantatra na efa narahan’ireo olon-dratsy izy na ahoana fa rehefa tamin’ny toerana mangina dia nosakanan-dry zalahy ary nasainy nanome azy ny vola sy ny volamena. Samy tsy nisy nahita ny zavatra niseho fa ny hany fantatra dia voatifitra teo amin’ny tratrany ity mpividy volamena ity ary dia maty teo no ho eo. Tsy nisalasala ireo jiolahy naka ny zavatra tany am-balahany. Very tamin’izany ny volamena 60 gr vao avy novidina sy lelavola 2 tapitrisa ariary. Raha vao azon’ireo mpandroba izany dia navelany teo ilay olona. Ny fianakaviana tsy nahita azy nody an-trano no nanao fikarohana. Hita teo amin’ilay toerana nahavoaendaka azy ny fatin’ny havany. Nampandre ny mpitandro filaminana ry zareo avy eo. Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao.

Janus

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser