Saron’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy naka an-keriny fianakaviana enina tao Andilamena . Raha niafina tsy nisy nahita ireto mpaka an-keriny ireto dia nisy nahita nitondra tao Tsarahonenana Andilamena ny zaza iray nalaina. Naterin’ny miaramila tao amin’ny tobin’ny zandary io zaza iray io ka dia nanomboka teo ny fanadihadiana. Sarona teo akaikin’ny hopitaly Andilamena ilay jiolahy iray, satria tadidin’ilay zaza ny endriny, ka io no nanoro ireo namany niaraka tamin’ireo zazakely 3 mianadahy. Tao amin’ny tanàna Amboasaritsimitombo, eo amin’ny 15 Km miala an’Andilamena, no nahasaronana ireto jiolahy mpaka an-keriny, niaraka tamin’ireo zaza 3 mianadahy ambiny, ka dia noraisim-potsiny. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nampinanana maloto sy mangahazo ireto zaza ireto tao anatin’ny fotoana nanitrihana azy, ka dia nahia sy reraka be ka tsy maintsy nampidirina hopitaly tao Andilamena. Olona efatra mianadahy aloha no fantatra fa tratra tamin’izao halatra olona izao, ka 3 lehilahy ary 1 vehivavy. Tsy nanaiky ny fokonolona tao Andilamena, ny marainan’ny asabotsy faha 02 aogositra 2014 teo, fa nirohotra nianika ny tobin’ny zandary miaraka amin-jaza, haka ireo olona nangalatra mba hatao fitsaram-bahoaka. Nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon’ny zandary ka nilamina ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao ihany dia fantatra fa halefa aty Ambatondrazaka ireo voasambotra hanaovana fanadihadiana hahalalana ny tena marina. Derain’ny vahoakan’Andilamena ny zandary ao sy ny miaramilan’ny 316 Analangoaika noho ny ezaka goavana nataon’izy ireo tamin’ny fahatratrarana ireto jiolahy. Mandeha moa ny resaka fa tambajotra iray mihitsy ity mpangalatra ity. Raha tsiahivina ny tantara dia fianakaviana 6 mianaka no nalaina an-keriny tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo ka izao hita sy tafaverina amin’ny fianakaviany izao avokoa.
Janus R