Dahalo 4 mirongo fitaovam-piadiana maherivaika no nanafika tokantrano iray izay voalaza fa misy volabe tao amin’ny renivohitra Anosimboahangy .Nirefodrefotra ny basy na dia mbola tamin’ny 11 sy sasany alina aza ny andro, nifamaliana ny tifitra satria nisy olona nanana basy teo amin’ny manodidina izay nanao tifi-danitra , novakian’ireto jiolahy tamin’ny famaky ny varavarana ka dia raikitra ny fisavana tao an-trano nitady ilay volabe ,ny tompontrano moa dia tsy afaka nivoaka fa nisitrika tao ambony rihana. Nilefa ireto jiolahy ireto rehefa fantany fa misy olona manana basy tsy lavitra ilay toerana izay sady niantso vonjy tamin’ny fokonolona manodidina. Na dia teo ampivoan’ny tanàna tsy lavitry ny biraon’ny kaominina aza ilay toerana dia tsy natahotra mihitsy ireto jiolahy nanafika sy nanapoaka basy .Efa eo ampelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary efa misy ireo voasambotra ka hinoana fa ahitana ny marina izany, satria mihorohoro avokoa ny vahoakan’Andilamena noho ity fanafihana nitranga ny faha 25 may 2016 lasa teo .Inoana fa hisy ny fandraisana fepetra entitra satria betsaka ireo vahiny manangona vato ao Andilamena ary misy tsy misoratra eny anivon’ny fanjakana ny sasany amin’izy ireo.
Janus R