Rehefa tsy fitsaram-bahoaka no malaza, dia mandeha indray ny fitsaram-bady ! Raim-pianakaviana iray, tany amin’iny faritra Alaotra iny no voatery nampidirina hôpitaly, ny alakamisy lasa teo, rehefa fantatra fa noborim-badiny tanteraka ny filahiany. Tao amin’ny fokontany Antsahavinaky, ao amin’ny distrikan’Andilamena no nisehoan’ity tranga hafakely ity, izay toa efa mihazo vahana ihany koa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Araka ny angom-baovaon’ny solon-tenanay avy any an-toerana dia ady mivady niandohan’ity fanapahana fanindroany ny an-drangahy ity. Toa hoe samy avy nisotrosotro toaka tany izy roa ireto, ary samy efa azoazony avokoa. Nandritry ny fifamalian’izy mivady, no nalain-dramatoa irony karazana antsy lava irony, ary avy hatrany dia nokatsanany ny mahalehilahim-badiny. Hatreto dia tsy fantatra, hoy ny vaovao, na inona marina na inona no anton’izao fanampahan-javatra nataon-dramatoa izao. Hasarotam-piaro ve ? Izy ireo rahateo tsy misy miteny sy manazava ny tena marina mahakasika ity zava-nitranga ity. Araka ny fantatra dia hikiaka sy ny antso vonjin-drangahy no nanaitra ny rehetra teo amin’ny manodidina. Antso vonjy tsy toy ny mahazatra mantsy fa sady miharo fitairanana no mifangaro fanaintainana. Hagagana ny any rehetra rehefa nahita ny rà nandriaka eran’ny trano sy rangahy efa mivalampatra amin’ny tany, mihazona ny elakelam-peny. Avy hatrany dia takatry ny rehetra ny zava-niseho. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ity raim-pianakaviana bory filahiana ity, ary mbola miady aman’aina ranamana, araka ny vaovao hatrany. Efa be loatra mantsy ny rà very. Nentin’ireo fokonolona tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana kosa ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza. Tsiahivina fa vao herinandro vitsivitsy ihany koa izay no vao nisy tranga toy ity teo andrenivohitra. Saingy ny sipany indray no nahavita izany tamin-drangahy rehefa tsy tiany hiverina tany amin’ny vadiny intsony ity farany.
Janus / m.L