Vaky nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao nahatazana monja ireo zandary. Navelan’izy ireo teo kosa ireo entany, rongony maina manodidina ny 121 kilao tany ho any. Zava-nitranga tany amin’iny distrikan’Andilamena iny, ny faran’ny herinandro teo.
Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia voalaza fa nisy fampahafantarana tonga teny anivon’ny zandary tao amin’ny tobim-paritra Andilamena, mahakasika ny fisian’ny andian’olona maromaro mitetika ny hitondra rongony. Zavamahadomelina izay raha ny lalana mahazatra no zohiana dia tsy maintsy hiafara aty an-drenivohitra. Tany amin’iny faritra Befoza iny no voalaza fa nisy ireo andian’olona ireo. Tsy nandrasana ela fa nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary nanamarina ny vaovao ary efa niomana tamin’ny paik’ady rehetra ihany raha sendra ka tena misy izany. Vao teny an-dalana monja anefa dia efa nahatazana olona maromaro milanja gony izy ireo. Iretsy farany kosa vao nahatsikaritra izany dia nanao tari-dositra avy hatrany, namela ireo entany teo. Nisy moa ny fanenjehana saingy tafaporitsaka iretsy mpitondra entana. Tamin’ny fisavana ireo gony ireo no nahitàna ireto rongony maina, marobe, efa vita fatotra tsara, an-jatony kilao mahery teo. Nentina nogiazana avy hatrany moa ireto zavamahadomelina ireto ary nodorana nony avy eo, teo imason’ireo manam-pahefana isan-tokony avy tany an-toerana.
Na ho an’ny rongony mahery vaika, na ho an’ireo rongony tsotra, dia tsapa tato ho ato izay fa manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo mpitandro filaminana entina miady amin’ny fiparitahan’ireto zavamahadomelina ireto, izay fantatra fa fositra iray ihany koa mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana.
m.L



