- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Sarona ny 50 kg saika hamidy tao Ambatondrazaka

Andilamena : Sarona ny 50 kg saika hamidy tao Ambatondrazaka

Saron’ny zandary avy any Andilamena ny rongony milanja hatrany amin’ny 50 kg saika hamidy tao an-tananan’Ambatondrazaka. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana mikasika ity fanondranana zava mahadomelina ity. Natao ny fisavana ka tamin’izany no nahitana ireo rongony ireo. Olona efatra no voalaza fa tompony. Rehefa fantany anefa fa ho tratra ry zareo dia lasa nandositra ny telo izay lehilahy avokao. Tsy afaka niala kosa ny iray, vehivavy. Vao sarona moa ireo zava mahadomelina be dia be ireo ary rehefa vita ny fanadihadiana dia nodorana tamin’ny talata avokoa ireo rongony.

Mihanaka, sahala amin’ny renivohitry ny Faritra maro manerana ny nosy ny rongony. Voalaza fa maro ireo mifoka izany, hatramin’ny mpianatra any an-tsekoly aza. Raha ny ao Ambatondrazaka, amidy 200 AR, 500 Ar sy 1 000 Ar ny fonosana efa voavoatran’ireo mpaninjara.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser