Efa fokonolona maro izao ny nihazo ny toerana iray tsy lavitra ny ala eo anelanelan’Andrebabe sy Andrebakely, ao anatin’ny distrikan’Andilamena, izany hoe mifanohitra tanteraka tamin’ilay toerana nisian’ny vato tany aloha .Toa saika ifaninanana mihitsy satria efa betsaka ireo nahazo sy nipoaka volabe. Tsara rahateo ireo karazam-bato, hoy ireo mpitrandraka .Raha ny faritr’i Didy no nifanotofana teo aloha dia hita fa any amin’ity toerana vaovao ity indray no maro olona, miandahy miambavy. Toa efa saika tonga avokoa ireo mpahay karazam-bato avy amin’iny faritra Ilakaka iny ,maresaka tanteraka ny any anaty ala amin’izao fotoana izao. Na dia ao anatin’ny andro ratsy aza ny aty Alaotra dia tsy mahasakana ny vahoaka mirohotra hangady vato izany, satria samy te hahazo vola avokoa.
Janus R