Mbola tsaboina ilay zazavavy lely izay tratran’ny fakana ankeriny tamin’ny fiandohan’ny volana jolay 2014 lasa teo .Olona 4 aloha no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary tsimaintsy nakarina eto Ambatondrazaka izy ireo nohon’ny fahatezeran’ny mponina ao Andilamena. Nilahatra manerana ny tanana mantsy ny mponina ny faha 05 aogositra 2014 teo ary nitondra sorabaventy mitaky ny fampahafantarana ny tena patirao naniraka amin’izao halatra olona izao ,nilamina ihany ny raharaha rehefa nanazava ny mpitandro ny filaminana. Efa bfantatra moa fa vehivavy iray no voatondro anisann’y atidoha nikotrika izao fan,agalana olona an-keriny izao. Raha tsiahivana ny toe-draharaha dia ankizy 4 mianadahy sisa no tsy hita ka nohon’ny ezaky ny mpitandro ny filaminana dia hita izy ireo fa saingy efa reraky ny fampijaliana sy fampinanana maloto ,ilay zazavavy kely 5 taona no tena voa mafy satria nodorana ny fitombenany sy ny lohany ka reraka tsimaintsy notsaboina .Raha ny nambaran’ny fianakaviana dia 10 taona no zokiny , ary 7 taona sy 6 taona ,ary 5 taona izy ireo .Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana ary manomboka miditra lalindalina amin’izao fotoana izao.
Janus R