Fiara mpanao zotra nasionaly “sprinter” inday no niharan-doza zoma 20 jona maraina teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 (Rn7) tao Andiolava, Faritra Ihorombe. Arak any fantatra dia niala avy any Fianarantsoa hihazo an’i Toliara ity fiara ity izao tra-doza izao. Nandeha tamin’ny lalana mahitsy ary marina io fiara io no nivoaka ny lalana ary nivadika natory tamin’ny ilany havanana. Vokany, mpandeha telo no voalaza fa naratra mafy tamin’izany. Ireto farany izay nentina avy hatrany namonjy ny toeram-pitsaboana taorian’ny famonjena nataon’ireo fiara nandalo ka nahita ny zava-niseho. Araka ny fitiliana nataon’ny zandary nanao ny fanadihadiana izay tonga teny an-toerana dia ny torimaso fotsy nahazo ny mpamily no nahatonga ny loza. Tranga izay mateti-pitranga amin’itony fiara mpanao dia lavitr’ezaka itony noho ny havizanana izay mahazo ny mpamily izay matetika tsy mba manana mpanampy akory. Tsy vitan’izay fa mbola betsaka amin’izy ireny no tsy mba manaja ny fotoana tokony hialana sasatra mialohan’ny handray familiana. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izao raharaha izao na dia mafimafy ihany aza fahavoazana teo amin’ireo naratra sy ny fahasimbana teo amin’ilay fiarakodia.
T.M.