Isan’ny toe-javatra niteraka fitaintainana tao amin’ny kaominin’Andodabe Toamasina II sy ireo Tanana ary ireo kaominina manodidina azy ny zava-nitranga teo anivon’ny kaominina iray ity, satria indroa nisy nitifitra ny lefitry ny ben’ny tanàna noho ny olana ara-piarahamonina nitranga tany an-toerana. Zanaky ny kaominina ihany no nahavanon-doza nandritra izany. Saron’ny zandary Ingahy Céléstin, 23 taona amin’izao fotoana, ilay tovolahy nitarika ireo miisa dimy mbola karohan’ny zandary amin’izao fotoana izao. Tafiditra amin’ilay hetsika herinandron’ny filaminana ataon’ny zanfary ao Toamasina II izao fahatrarana azy izao. Raha hiverenana ny tantara dia nisy olana ara-tany goavana tao amin’ity kaominina ity. Niezaka nandamina ny raharaha ny kaominina ka resy tamin’izany ny fianakavian’Ingahy Céléstin, ary efa namoaka vava fa tsy maintsy hanao famaliana faty ny faharesen’izy ireo. Izy rahateo efa malaza ratsy tamin’ny tanàna nisy azy. Ny 10 oktobra 2017, nisy niditra andro alina tao amin’ny tranon’ny lefitry ny ben’ny tanàna, ilay efa nananan’Ingahy Celestin lonilony. Notifirin’izy ireo tamin’izany ity lefitry ny ben’ny tanana ity sy ny zanany vavy. Noho fiaraha-mientan’ny fokonolona dia avotra soa aman-tsara ny ain’ity lefitry ny ben’ny tanana ity sy ny zanany vavy. Voasambotra Ingahy Celestin ary nahazo fanasaziana am-ponja teo anivon’ny fitsarana. Tsy hay anefa izay nitranga tany ho any fa afaka indray izy ny fiandohan’ny taona 2018 ary niverina tany Andodabe. Teo anefa no niketrehany ny valifatiny faharoa, ka raha tao anaty tranom-pokonolona nasaina manokana tamina alim-pandihizana ilay lefitry ny ben’ny tanana dia notifirin’Ingahy Celestin avy tany ivelan’ny trano ary voa tamin’ny lamosiny, saingy avotra ihany ny ain’ity farany raha novonjen’ireo mponina tao Andodabe Toamasina II. Nanomboka teo ny fikarohana an’Ingahy Celestin, 23 taona, nefa herintaona aty aoriana vao hita ny tany niafenany rehefa nokarohan’ny zandary.
Malala Didier