- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohambato - Tsaratanàna : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpaka an-keriny

Andohambato – Tsaratanàna : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpaka an-keriny

Votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy folo lahy nitondra basy MAS 36 iray ny roa lahy nalaina an-keriny, nandritra fifampitifirana tamin’ny zandary. Tsy milavo lefona ny zandary rehefa maheno ny fofon-dahalo fa miroso hatrany na dia mafy aza ny fiatrehena an’ireo fahavalon’ny firenena, any anaty akata any. Ny faha-25 volana desambra taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina, no nampandrenesin’Andriamatoa Rivo, mpanefy volamena, monina any amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra Manakana, ny zandary, fa lasan’ireo jiolahy folo lahy an-keriny nitondra basy MAS 36 iray sy basim-borona ny mpiasany roa lahy, tao Andohambato, toerana fitrandrahana volamena any amin’ny manodidina ny tanànan’i Manakana, izany hoe any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ny faha-26 desambra taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina no nidina an-tsehatra teny amin’ny toerana voalaza ny zandary enina, avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Manakana. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina no nifanehitra ny roa tonta, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany: nitari-dositra ireo malaso, rehefa tsy naharesy tosika tamin’ny fifandonana, ka navelan’izy ireo teo ny akanjo miaramila sy sivly, bodofotsy, ody am-bavafo, fandrahoana sakafo, ary votsotra teo am-pelatanan’ireo ihany koa ny roa lahy nalaina an-keriny. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia mitodi-doha miantsinanana, mety ho any Bempody sy Atsahabe iny, ireo jiolahy. Efa manao ny sakana any amin’iny faritra iny ihany koa ny zandary ao Brieville. Efa nomena ny fianakaviany kosa ireo roa lahy natao takalon’aina, salama tsara hatrany. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro ny filaminana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici