# – Soavinandriana Itasy. Vehivavy maty voatifitra. Tamin’ny lanonana famoran-jaza no nisehoana sakoraka tao amina fianakavina iray, tany Soavinandriana , ny herinandro lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mpitandro filaminana iray nitondra basy no nitifitra nahafaty an’ilay vehivavy. Fanampin’izany, voalaza fa tsy anisan’ny nasaina tamin’ity lanonana ity izy io. Ankoatra ilay voatifitra, nisy olona iray koa naratra voatoto vodibasy. Nandositra ilay nahavanona ny loza avy teo.
r.s.