Fiara tsy mataho-dàlana iray no nivarina teny an-tokotanin’olona, tetsy Andohan’i Mandroseza ambadiky ny biraon’ny fokontany, omaly hariva tamin’ny 4 ora tany ho any. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia tsy nisy nanampo ny zavatra niseho, fa ilay fiara nivadika nianjera tany amin’ilay tranon’olona izay mipetraka amin’ny toerana ambany miala ny arabe, no nanaitra ny maro. Vokany: potika tanteraka ilay fiara. Ireo roalahy tao anatiny kosa tsy nisy naninona, fa masera iray sendra nandalo ny arabe no voafaokan’ilay fiara nialohan’ny nianjerany tany an-tranon’olona. Naratra mafy tokoa ilay masera, satria voalaza fa ny lohany sy ny lamosiny no tena voa mafy tamin’izany. Tsy nahatsiaro tena ity farany. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ny tenany taorian’ny loza hahazo ny fitsaboana sahaza azy, saingy fotoana vitsy taorian’ny alanenina, dia namoy ny ainy ilay masera. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” ihany koa ny zandary tany an-toerana. Fantatra hatreto, fa noho ny tsy fandehanan’ny hisatra tao amin’ilay fiara no fototra niavian’ny loza. Tetsy ankilany ihany , marihina ihany koa fa mamo ireo roa lahy tao anatiny ka izay no anisany tsy nahafehezan’izy ireo ny hisatra. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.
Niony H.