- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndohan’i Mandroseza : Miaramila hita faty toa anaty rano

Andohan’i Mandroseza : Miaramila hita faty toa anaty rano

Omaly maraina no nisy nanatitra teny amin’ny tranom-paty HJRA ny fatina miaramila iray fantatra fa maty tao anaty rano teny Andohan’i Mandroseza. Rehefa nojerena ny razana dia tsy nahitana ratra mivantana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ankeviny efa tamin’ny alin’ny sabotsy no lasa tao anaty rano ity olona ity. Ny marina anefa voa nisy nahita ny razana natsingevan’ny rano. Miasa eny amin’ny manodidina eny ity miaramila ity, hoy hatrany ny vaovao voaray. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony nahafaty an-drano azy. Fotoan’ny orana izao ary manomboka mahery ny renirano ka tsy azo sangiana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser