Horonan-tsary diso tafahoatra ? Bandy roalahy no tra-tehaky ny polisin’ny SUT ny alatsinainy hifoha talata lasa teo, raha teo am-panafihana tokatrano iray tetsy Andohan’i Mandroseza. Satroka bà nolavahana no natao saro-tava, basy kilalao sy antsy lava no fitaovam-piadiana. Ireo no nentin’izy ireo niditra tao amin’io tokatrano io. « Taitra tamin’ny torimasony ny tompon-trano ary nahita fa nisokatra ny varavaran-kelin’ny efitrano nisy azy. Tsikaritr’ireto farany fa tsy tao avokoa ny finday, sy ny solosaina ary ny vata fahitalavitra, sy ny entana maromaro hafa » hoy ny vaovao. Niantso polisy avy hatrany ireo lasibatra ary tsy ela tonga ireo mpitandro filaminana. Teo am-pitsoahana mihitsy izy roalahy no tra-tehaka. « Tsy afaka nitsaoka sy nanoatra ny pôlisy izy ireo ka rehefa nosavaina ny kitapo izay nentin’izy ireo dia tratra tao avokoa ireo entana izay vao avy nangalarina. Tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana entina mampihorohoro ny tokantrano izay ho tafihany, ka isan’izany ny basy kilalao sy antsy lava iray ». Raha ny fantatra dia efa trano maromaro no vakin’izy ireo sy voatafika tamin’izany fomba izany teny an-toerana, ary izao izy ireo tratra izao ihany no niafaràny. K’inona moa izany fa dia tapitra ny horonan-tsary ho an’izy roalahy kely ireto. Niakatra ny soratra …
m.L