Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray, tao Andohan’Ilakaka, ny zoma lasa teo. Lasibatra tamin’izany ny tanànan’i Mangarahara ka dahalo maromaro mirongo basim-borona sy fanafody gasy no nanafika ka nifaoka ny omby tao an-tanàna. Natao ary ny fanarahan-dia izay notarihin’ny komandin’ny borigadin’ny zandarimaria any an-toerana, nampian’ny fokonolona. Tao Mandabe no nifanehitra ny roa tonta ka raikitra ny fifampitifirana satria nanohitra ireo dahalo. Tsy nahatohitra anefa ireto farany ka niafara tamin’ny fahasamborana ny telo tamin’izy ireo. Ny sasany kosa dia mbola karohina. Lasaka ihany koa ireo omby nangalarina ary efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa. Marihina fa io Mandabe io, dia tanàna tena fieren’ny jiolahy hatramin’izay.
Araka ny filazan-dRatsimanotry Razafiarison dit Zidane,Ben’ny tanànan’Andohanilakaka, dia nirongatra tokoa ny asan-dahalo tao ho ao, saingy efa mba mihalefy izany ankehitriny noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona, ny mpitandro ny filaminana sy ny kaominina ary ireo mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana. Ireto farany; izay nanolotra fiara tsy mataho-dalana hoan’ny kaominina mba hampiasain’ireo mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahana ny asany.
T.M.