- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohanilakaka : Fatin-dehilahy efa tapa-doha hitan’ny fokonolona

Andohanilakaka : Fatin-dehilahy efa tapa-doha hitan’ny fokonolona

Vono olona mahatsiravina ! Tsy nisy izay tsy nihoron-koditra nanoloana ity razana, hitan’ny fokonolona, tsy lavitra an’i Manombobe, tao amin’ny kaominina Andohanilakaka, omaly maraina. Lehilahy iray, ankevitry ny 20 taona any ho any, mantsy no hita faty tao anatin’ny lavaka iray fitrandrahan’ny olona vatosoa tany an-toerana. Ny tena loza dia ny fahitana ity razana ity, izay novonoina tanteraka tamin’ny fomba feno habibiana. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia notapahin’ireo tsy valahara tarangana ny tendany ary tsy hita ny nasian’izy ireo ny lohan’izany olona hita faty izany. Ankevitry ny novonoin’izy ireo tany ho any angamba ity tovolahy ity ary natsipin’ireo nahavanon-doza tao amin’io lavaka io ny razana nony avy eo.

Ireo olona sendra nahita ny razana no nampandre haingana ireo mpitandro filaminana izay tonga avy hatrany teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava izay anton’ny famonoana sy ireo izay mety ho atidoha nikotrika ity vono olona mahatsiravina ity. Efa eo an-dalam-pikarohana sy ny famotorana mahakasika izany ireo zandary any an-toerana. Marihina fa olona mipetraka eny amin’ny manodidina ihany ity tovolahy ity, raha ny vaovao azo hatrany ary vinavinaina ho mpiasa tamin’iray tamin’ireo karieram-batosoa any an-toerana. Azo eritreretina ho karazam-balifaty na lonilonim-piarahamonina, izay miseho lany any amin’iny faritra iny, noho ity resaka vato sarobidy ity hatrany no anton’izao, raha ny angom-baovao azo hatrany. Taorian’ny fitsirihana rehetra nataon’ireo mpitsabo sy ny mpitandro filaminana dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici