- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndohanilakaka : Saika raikitra ny fifampitifirana tao amin’ny karieran’Ampandritsimivalana

Andohanilakaka : Saika raikitra ny fifampitifirana tao amin’ny karieran’Ampandritsimivalana

Saika niteraka rà mandriaka tao ao amin’ny karieran’Ampandritsimivalana, ao Andohanilakaka, ny Alakamisy 27 Aprily, noho ny fifanoherana teo amin’ny baiko avy amin’ny Praiminisitra sy ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Nandefa iraka tany an-toerana hanara-maso ny tena zava-mitranga marina ao amin’io kariera izay trandrahan’ny Sinoa io, ny Praiminisitra. Tsy tafiditra tao amin’ilay toerana anefa ireo iraka io Alakamisy io, noho ny fanakanana nataona milisy sivily mitam-basy miampy zandary  3 izay miambina ao. Araka ny filazan’ny iray tamin’ireo zandary ireo, dia ny iraka nalefan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, izay efa tany an-toerana andro vitsy mialoha, no nanome baiko azy ireo tsy hamela  na iza na iza hiditra ao amin’ilay kariera. « Olona tsy manara-dalàna avokoa izay tonga rehetra aorian’ny iraka nalefan’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany », hoy ity zandary ity araka ny baiko nomena azy sy ny namany. Araka ny vaovao anefa, fantatr’ireo iraka avy amin’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany ireo tsara ny ho fahatongavan’ireto iraka avy amin’ny  primatiora ireto. Noho ny fahendren’ireo manam-boninahitra  sy ny mpanolo-tsaina manokan’ny Praiminisitra, nitarika ireo delegasiona avy amin’ny primatiora ireo anefa, dia tsy raikitra ny ady na dia efa niatrana am-bava-basy sy  vonona ny hitifitra aza ny milisy sivily hanakanana  ny fanatanterahana ny baiko nomen’ny Fanjakana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici