Zandary iray indray no lavo teo am-panantanterahana ny asany omaly antoandro tany Andohanilakaka. Namany iray hafa kosa naratra mafy. Izany dia vokatry ny tifitra variraraka avy tao an-tranona lehilahy iray, saika hosamborina tao amin’ny fokontany Mandabe, kaominina Andohanilakaka. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenana, dia nahazo didy avy amin’ny tribonaly ao Ihosy ireo zandary tany an-toerana, mba hisamborana lehilahy iray, monina any an-toerana voarohirohy ho nandrahona sy nanompa olona am-pahibemaso. Mpitandro filaminana maromaro no tonga tany an-tranon’ity lehilahy hosamborina ity tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Tifitra variraka avy hatrany kosa anefa no niantefa tamin’ireo zandary ireto, izay mbola tsy tafavoaka akory ny fiara nitondra azy, rehefa tonga tany izy ireo. Voan’ny bala tamin’izany ny zandary roa tao anaty fiara. Ny iray teo amin’ny lohany, ary ny iray kosa teo amin’ny feny. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo mpitandro filaminana ireto, saingy namoy ny ainy ilay voalohany. Tetsy andanin’izay, ny sasany tamin’ireo hafa tao anaty fiara kosa, avy hatrany dia nanenjika ilay nitifitra, izay nitsoaka tany anaty ala. Nisy ihany koa zandary hafa nalefa any hanampy isa ireo mpanenjika. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola mitohy ny hazalambo sy ny fikarohan’ity lehilahy nahafaty mpitandro filaminana ity any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L