- Publicité -
samedi, septembre 6, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohanilakaka : Zaza nalaina an-keriny, notapahin-doha

Andohanilakaka : Zaza nalaina an-keriny, notapahin-doha

Tsy hita izy ary iray andro taty aoriana,  rehefa nandeha ny fanarahan-dia nataon’ny polisy niaraka tamin’ny fokonolona, hita saingy efa maty. Notapahina ny lohany, ny ilan’ny vatany. Kivy ratsy izay nahita ary tohina ny fianakaviany. Zaza enin-taona ity niharan’ny herisetra sy famonoana ity ary hita faty tao amin’ny cimétière  fasam-bahiny. Nisy naka an-keriny tao ny alin’ny alarobia ilay zaza. Iny alina iny ihany, rehefa nampandre ny polisy ny fianakaviany dia nanomboka ny fanarahan-dia ary ny maraina ihany dia hita ilay zaza. Inona ny anton’ny famonoana amin’ny fomba feno habibiana? Misokatra ny fanadihadiana saingy ny tsara ho fantatra anefa dia toerana feno fitrandrahana vato sarobidy Andohanilakaka. Amin’ny toerana toa ireny koa anefa no tena betsaka ny finoanoam-poana toy ny fanaovana sorona mba hivoahan’ny vato. Hatreto, mifandraika amin’izay aloha no eritreretin’ny maro ho anton’ity vonoan’olona ity. Nanokatra fanadihadiana ny polisy miandraikitra iny fari-piadidiana iny. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici