Mitohy hatrany ity halatra zaza varira any atsimo ity mba hanompoana ody gasy. Tany Andohanilakaka no nisy naka an-keriny ny zazavavy 12 taona. Mba avotra anefa ity farany saingy tany anaty lalan-drano na koa bizo no nisy nahita. Olona sendra nandalo teo an-toerana no nahita ity zazavavy izay mitampify miafina ary nampandre ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Ny fanadihadiana voalohany no nilazan’ilay zaza fa lehilahy miisa sivy no tonga tao Soamitata, tanàna iray ao Ihosy ary naka azy ny harivan’ny 25 jiona lasa teo. Nanomboka teo izy no tsy hita raha tsy omaly, izany hoe dimy andro taty aoriana. Mbola an-dalam-pamotorana ny zandary ao an-toerana ny amin’izay mety ho fizotran’ity fakàna an-keriny ity sy ny fomba naha-avotra ilay zazavavy kely.
D.R