- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohanimandroseza : Fatin-dehilahy tao anaty « dalle », lanin’ny biby ny tarehiny

Andohanimandroseza : Fatin-dehilahy tao anaty « dalle », lanin’ny biby ny tarehiny

Handeha hiasa no nialany tao an-trano. Tsy nody ilay olona ny alina. Taolana sisa ny tarehany.

Taitra avokoa ny mpandalo, omaly maraina nahita fatin-dehilahy iray tao anaty « dalle » teny Andohanimandroseza. Rehefa nojerena ny razana dia talanjona ny rehetra. Potika tanteraka ny tarehany ary taolona sisa ohatran’ny nokikisana. Mihevitra ny maro fa nisy biby nihinana ilay izy. Tsy fantatra kosa anefa na alika na voalavo no nihinana azy tao ankeviny efa ho nandritra ny alina iray manontolo.

Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ny alarobia tolakandro izy no niteny tamin’ny zanany fa handeha hanamboatra zavatr’olona. Mpiasan’ny JIRAMA ity olona hita faty ity. Rehefa hariva ny andro, tsy mbola niverina ihany ilay lehilahy. Nanomboka efa nitebiteby ny havany. Tsy tonga nody koa izy ny alina. Ny maraina vao hita ny fatiny. Nentina tany amin’ny tranompatin’ny HJRA ny razana. Omaly ihany dia efa nalain’ny fianakaviany. Fahavelony dia teny Andohanimandroseza izy no nipetraka. Amin’izao fotoana izao dia efa misy ny fanadihadiana hahafantarana ny marina mikasika izao fahafatesana izao. Tsy fantatra marina mantsy izay nahatonga azy tao anaty “dalle” tao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser