Lehilahy iray monina eny Anosibe no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Komisaria Boriborintany faharoa ambodiomby nangalatra moto teny Andohanimandroseza ny harivan’ny asabotsy. Nanararaotra ny olona variana ka nihevitra ity mpangalatra ity fa tsy hisy hahita kanjo nifanehatra tamin’ny Polisy. Nentina avy hatrany eo anivon’ny Kaomisaria ny raharaha ary efa tonga nametraka fitoriana ihany koa ilay tompon’ny moto. Mirongatra ny halatra moto eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manentana ny rehetra ny mpitandro filaminana mba samy ho mailo amin’ny fiarovana ny fanany.
Yv Sam