- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAndohanimandroseza : Telolahy nanolana zaza efa-taona

Andohanimandroseza : Telolahy nanolana zaza efa-taona

Zazavavikely efa-taona, mbola tsy mahatsiaro saina tsara akory. Io no nanamparan’ny telolahy ny filan-dratsiny. Tokony ho tamin’ny efatra ora no nitrangan’izany tetsy Andohanimandroseza. Olona sendra nandalo no nahita ny zava-nitranga ka niantso ny teo amin’ny manodidina. Heverina fa nalaina an-keriny ilay zazakely dia nentina tao amin’ilay toerana maizimaizina. Nifanenjehana ireo olon-dratsy ary natao savahao mihitsy ny tanàna. Ny iray aloha no voasambotra voalohany. Nitohy ihany ny fitadiavana ireo namany ary ny farany dia samy voasambotra avokoa izy telo lahy nahavanon-doza. Voatery nentina faran’izay haingana teny amin’ny Hjra ilay zazakely satria tena nihatra tamin’ny ainy ny nanjo azy. Nentina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ireo mpanolana ary natomboka avy hatrany ny fanadihadiana azy ireo. Tsiahivina fa heloka bevava ny fanolanana ary sazy mafonja hatrany no mihatra amin’ny nahavita azy ireny. Ity indray mitoraka ity dia heverina feno tanteraka ny fepetra ny amin’ny hanomezana sazy faran’izay mafy indrindra ho an’ireo telolahy nahavanon-doza, loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser