Efa notapahana hatramin’ny taona 2017 ny jiro noho ny tsy fandoavana faktioran’ny Jirama. Rehefa nojirihan’ny manam-pahaizana anefa, dia nandeha hatrany ny herinaratra tao amin’io trano io hatramin’ny nahatrarana ny halatra ny 30 septambra teo. Trano lehibe misy rihana roa ary misy efitra maro, izany hoe tena mampiasa jiro maro no voakasika. Rehefa sarona ny ratsy, dia sahy avy hatrany ny tompon-trano ny nanolotra vola mitentina 600.000 ariary ireo olona niandraikitra ny fanaraha-maso. Vola izay tsy neken’ireo olona ary dia natao arak’izany ny tatitra tany amin’ny foibe. Nampananatsoina koa ny mpiasan’ny Jirama izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ity tokantrano ity. Matoa mantsy tsy sarona nandritra izay fotoana lavabe izay dia nisy fanaromana ny halatra izay mpiasan’ny Jirama ihany no voatonona. Zava-misy toa izany matetika no isan’ny mamotika ity orinasam-panjakana ity ary indrindra koa, lasa ny besinimaro no mandoa ny vidin-jiro lanin’ny mpangalatra. Ny antanan-tohatra voalohany izay mandeha amin’ny raharaha toa izao dia ny fanerena ny mpangalatra jiro izay tratra mba handoa izay lany rehetra tao anatin’ny fotoana nanaovany ny halatra. Raha toa ka mandà izany izy dia entina eny amin’ny fitsaràna manan-kery ny raharaha ary mety hiafara tamin’ny sazy am-ponja. Mbola marobe ny mpangalatra jiro, indrindra eto an-drenivohitra. Mbola mitohy arak’izany ny fanenjehana azy ireo. Tsy mora anefa izany satria misy ny tena sarotra ny mitady ny fametrahana ny lalan-jiro mba tsy handalovany eo amin’ny « compteur ». Misy ny any anaty rindrina, misy ny any anaty fanaka fampirimana akanjo ary ny fomba hafa koa. Tamin’ity taona 2019 ity fotsiny, ny marimarina kokoa ny volana febroary ka hatramin’ny jolay, dia efa nahatratra 257 ny tratra, na nangalatra mivantana na an-kolaka. Ny 91 tamin’ireo no tena voaporofo fa nanodina herinaratra. Raha ny fanamarihan’ny Jirama hatrany dia vola mitentina 708 tapitrisa ariary mahery no azo tamin’ny fanefan’ny mpangalatra jiro ny halatra nataony. Isan’ny ezaka iray lehibe ny ady amin’ny halatra herinaratra ary izany dia isan’ny fanetribe ho an’ny mpanjifan’ny orinasam-panjakana Jirama. Raha ny zava-nisy hatrizay anefa dia tsy ny olon-tsotra ihany voakasik’izany. Efa maro ny biraom-panjakana izay na tsy mangalatra aza dia tsy mety manefa ny volan-jiro. Dia mbola ny mpanjifa tsotra hatrany koa no mizaka ny vokany…
D.R