- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Enin-dahy nirongo basy, nanafika tokantranona mpivarotra

Andoharanofotsy : Enin-dahy nirongo basy, nanafika tokantranona mpivarotra

Tato ho ato izay dia lasibatry ny asan-jiolahy indray iny faritra Atsimondrano iny. Omaly vao maraim-be, nirefotra ny basy. Tokantranona mpivarotra iray no notafihana jiolahy dimy mirongo basy, teny Andoharanofotsy. Ny vola rehetra tao amin’ity mpivarotra ity, miampy an’ireo entam-barotra maro samihafa ary firavaka volamena maromaro tao amin’ity trano ity. Raha ny fanazavana azo, dia natory am-pilaminana ireto fianakaviana ireto, tsy nanampo na inona na inona, manodidina ny tany amin’ny 2ora maraina tany ho any. Tampoka teo anefa, nanao amboletra niditra teo am-baravarakely, rehefa avy nanapitsoka izany tamin’ny baramina ny bandy roalahy. Na dia teo aza ny fatahoran’ny iray trano, nandray ny andraikiny avy hatrany ireo vatan-dehilahy tao amin’ity tokantrano ity ary niezaka nanohitra ireto jiolahy tafiditra an-trano. Fantatra mantsy tamin’izay fotoana izay, fa tsy nisy fitaovam-piadiana na zava-m     aranitra nentin’ireto roalahy tafiditra voalohany ireto, koa dia sahy namaly ny tompon-trano. Naheno ny fifanjevoana tao an-trano anefa ny telo lahy hafa, izay niandry tety ivelany, niaraka tamin’ny basy lava, avy hatrany dia nitifitra sy nanao amboletra ihany koa. Vavabasy avy hatrany no niantefa tamin’ireo tompon-trano, ka nampifezaka ireto farany. Nanao izay danin’ny kibony, nibata izay zakany amin’izay ireto tontakely. Rehefa azo izay nilainy dia nirifatra nitsoaka izy ireo. Tao anatin’izany anefa, nandray ny andraikiny ny fokonolona raha naheno ilay basy nipoaka ka nampiantso ny mpitandro filaminana avy hatrany. Nisy ny fifanenjehana, saingy efa nahazo vahana mialoha ireo olon-dratsy, izay nihazo ny lalana “bypass” iny ka tafaporitsaka. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana, araka ny fanazavana azo hatrany. Mety hahiana ho naman’ireo olon-dratsy andiany maromaro nanafika teny Tsiafahy ihany mantsy ry zalahy ireto. Fantatra ihany koa mantsy fa basy mahery vaika no nentin’ireo olon-dratsy ireo, izay mbola hita teny an-toerana ny taim-bala niaraka tamin’ny bala iray hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser