- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Fatim-behivavy efa lo, tsy misy tongotra intsony notaritarihan’ny alika

Andoharanofotsy : Fatim-behivavy efa lo, tsy misy tongotra intsony notaritarihan’ny alika

Vehivavy manodidina ny 30 ka hatramin’ny 40 taona eo ho eo izy io, araka ny vinavinan’ny dokotera, ary efa namoy ny ainy, tokony ho herinandro mahery kely teo, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana.

Hatairana tokoa ny an’ireo mpiantsena maraina, omaly, tetsy Andoharanofotsy raha nahita ity vatana mangatsiaka nivalampatra teo amin’ny arabe. Araka ny vinavinan’ny olona dia nisy biby (alika) nitaritarika avy any anaty kihirihatra avy any izy io ary io niafara teo am-povoan-dalana io. Tsy lavitra ilay toerana rahateo nisy fasana sy kihiritr’ala. Efa simba tanteraka ny razana ary efa tsy misy ahafantarana azy intsony ny tarehiny. Efa tsy tazana teo intsony ihany koa ny ranjony havia sy ny feny havanana. Azo heverina fa nohanin’ny biby ihany koa angamba, hoy ny loharanom-baovao avy eny anivon’ny mpitandro filaminana. Nampandrenesina avy hatrany moa ireto farany tamin’ny fahitàna ity tranga mahatsiravina tetsy amin’ny fokontany Fasandralanitra, Andoharanofotsy io ary tonga haingana teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo. Raha ny vinavinan’ireo farany tamin’ny fitsirihana ny razana dia vehivavy tokony ho 30 ka hatramin’ny 40 taona eo ho eo izy io. Tombanana ho nisy herinandro mahery tany ho any ihany koa no nahafaty azy,  raha ny fahasimban’ny razana, hoy hatrany izy ireo. Tsy mbola fantatra kosa hatreto aloha na matin’ny inona izy io na matin’ny inona io vehivavy. Marihana fa tsy nahitàna ratra na mangana ny faritry ny vatany. Mbola teny aminy daholo ihany koa ny akanjony rehetra.

Nalefa avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra Ampefiloha moa ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo. Hatreto, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana dia tsy mbola misy mihitsy mitonona ho havana na fianakavian’io ramatoa io. Izy rahateo tsy fantatra ho iza na iza. Nambaran’ny vaovao hatrany mantsy fa tsy nisy marika azo namantarana azy na taratasy milaza ny mombamomba azy tany amin’ity ramatoa hita faty. Ireo mponina teny an-toerana ihany koa nilaza ho tsy misy mahafantatra azy na dia iray aza. Tombatombana fotsiny ny hoe « mety ilay ramatoa marary saina eny amin’iny faritra Tanjombato iny », hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireto farany ary nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici