- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : ifampitifitra ny jiolahy, iray no maty

Andoharanofotsy : ifampitifitra ny jiolahy, iray no maty

Be loatra ny manana basy tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra. Mazava loatra fa isan’ny tena mitazona fitaovam-piadiana ny jiolahy ary izay no mitarika ny fanafihana etsy sy eroa, indrindra amin’ny vanim-potoana akaikin’ny fetin’ny faran’ny taona izao. Samy manana basy ny jiolahy fa tamin’ity indray mitoraka ity indray kosa dia izy ireo no nifamono. Nisy tsy nifanarahana ara-bola ary namoaka basy avy hatrany ny iray dia nitifitra ilay namany teo amin’ny fony. Teo Andoharanofotsy no nitranga izany ny talata maraina teo. Maty tsy tsa-drano ilay lehilahy ary tavela tao amin’ny lamosiny ny bala rehefa niditra teo amin’ny fony. Nitsoaka kosa ny nahavanon-doza. Raha ny vaovao re dia resaka vidin’ny moto no nampiady. Nanao takalo kodiaran-droa ary nisy vola        tokony natsindry izany. Teo no tsy nifanarahana ary taorian’izay dia famonoana ho faty no nitranga. Nohamafisin’ny polisy izay misahana ny raharaha heloka bevava fa samy jiolahy ireo olona ireo. Izany hoe ny maty sy ilay namono azy. Efa samy nokarohina hatry ny ela noho ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana maro, raha araka ny fanampim-baovaon’ny polisy. Amin’ity tranga ity dia mazava raha mahavita mamono olona tsy misy indrafo ny jiolahy. Izy samy izy aza sahy mifamono amin’ny basy. Nisy fanadihadiana misokatra ary mizotra any amin’ny fikarohana ilay nahavanon-doza iznay ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici