Teo am-pakàna vola tamin’ireo fiara mpitatitra mihitsy ingahy no hitan’ny zandary. Rehefa natonina dia nilaza fa « inspecteur principal de police ». Nalefa hatrany ny fanontaniana ka nisy ny tsy voavaly. Teo no nahafantarana fa mpisandoka andraikitra ranamana. Mba te hakahaka « regime » faran’ny taona tamin’ireo taxi-be sy taxi-brousse fotsiny !
Teny Andoharanofotsy, teo amin’ny « ex-terminus » no nisehoan’ity tranga ity ny sabotsy lasa teo. Vao fantatra fa mpisoloky sy mpisandoka andraikitra ity lehilahy ity dia nosamborina avy hatrany ary nentina tany amin’ny biraon’ny zandary tao Andoharanofotsy. Ny somary nahatsikaiky dia efa tsy zoviana tamin’ireo mpanao famotorana ingahirainy. Voalaza fa mantsy fa efa nisy fotoana no voasambotra ity lehilahy ity saingy tamin’izay fotoana izay indray izy dia nilaza fa manamboninahitry ny zandary mitondra ny galona lietnà ary miasa eny anivon’ny Primatiora. Notanana natao famotorana teo no ho eo ihany moa ity mpisoloky ity, izay niaiky rahateo ny fandikan-dalàna vitany.
Mahagaga tokoa fa dia maro ny olona te ho mpitandro filaminana mafy dia mafy ka io lasa misoloky io. Ny mahazendana anefa dia tsy any amin’ilay hoe fiarovana ny vahoaka sy ny fananany loatra no himatimatesan’izy ireo fa any any amin’ilay resaka fanararaotam-pahefana, fanambakàna etsy sy eroa ary indrindra indrindra ity fanindrina bokotra sy fangalàna « regime » amin’ny fiara mpitatitra ity. Tsy vao ingahy ity mantsy no nanao io « fika masiso » io fa efa maro izay tratra izay. Ary tena mahavita manao « investissement » anaty fanamiana sy galona sandoka mihitsy ry zalahy amin’izany asa ratsiny izany. Raha ity tratra ity izao dia nambaran’ny zandary fa « maro ireo fanamiana sy galona tratra tany an-tranony nandritra ny fisavana izay natao ».
m.L