- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Jiolahy raindahiny, tratra ihany na dia niezaka ny niafina aza

Andoharanofotsy : Jiolahy raindahiny, tratra ihany na dia niezaka ny niafina aza

Tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana maromaro nitranga teto an-drenivohitra, voarohirohy tamin’ny resaka vono olona sy ny maro samihafa … Anisan’ny vokatra goavana indray no azon’ny teo anvion’ny polisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava tamin’ny fahatratrarana ity jiolahy raindahiny ity. Ny 10 may lasa teo ity farany, raha ny fampitam-baovao’ny pôlisy no voasambotra tao amin’ny tranony niafenany, teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny.

Matetika no voatonona hatrany ingahy, tao anatin’ireny fanafihana mitam-piadiana ireny, fa indrindra tamin’ilay fanafihana mpanakalo vola vahiny tetsy Analakely, volana vitsy lasa izay. Nisy avy hatrany moa ny fikarohana azy nataon’ireo polisin’ny BC, efa fotoana  maromaro ihany izay saingy fatratra ny fiafenany. Kanefa noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana dia voapaingotra teny amin’ny trano niafenany ihany ingahy. « Tamin’ny fisavàna ny tranony, hoy hatrany ny vaovao no nahitàna basy poleta marika Makarov calibre 9mm, niaraka tamin’ny bala miisa 10 tao aminy. Ankoatry ny karampanondro hosoka izay fampiasany ». Marihana hatrany fa efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony ity olon-dratsy ity. Efa voasambotry ny pôlisy noho izay resaka fanafihana izay hatrany moa ranamana ny taona 2020 ary nidoboka teny Tsiafahy ary izao voasambotra izao indray. Ny alarobia teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici