Dimy lahy nirongo « kalachnikov » nanafika tokantrano iray tetsy Andoharanofotsy. Tsy vitan’izany fa tena nampiasain’ireo ilay basy ary napoaka. Izany dia nentina hampitahorana ny iray trano. Vola mitentina 200.000 Ariary no voaroba, niaraka tamin’ny kojakojan-tokantrano toa ny fahitalavitra. Nisy firavaka volamena sy finday lasa ihany koa.
Articles qui pourraient vous intéresser