Zava-doza mampalahelo indray no nitranga teny amin’ny faritra Malaza Andoharanofotsy iny, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy sasany. Lehilahy iray 37 taona no nianjeran’ny « poteau »-n’ny Telma ka torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany. « Efa asanay hatrizay ilay mamboly « poteau ». Fito lahy izahay no niara-nanainga ny « poteau » hiditra anatin’ny lavaka efa nohadianay. Saingy tsy nety mihitsy izany. Votsotra tampoka koa ilay « poteau » fa malama loatra noho ny hatsiaka. Samy nitsoaka izahay rehetra, fa izy no tratra farany nianjerany tao » hoy ny fitantaran-dRakotosoa Rolland, mpiara-miasa sady rahalahin’ny niharam-boina. Avy hatrany moa dia nentin’ny fiara mpanao « travaux »-n’ny Telma teny amin’ny HJRA ny niharan-doza. Saingy fotoana vitsy taorian’izay, dia tsy tàna intsony ny ainy. Ny tendany sy ny lohany ary ny tratrany no tena voadona mafy. Betsaka ihany koa ny rà very taminy ka nitarika ny fahafatesany.
Niony H.