- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Lehilahy maty rehefa torana tanaty « violon »

Andoharanofotsy : Lehilahy maty rehefa torana tanaty « violon »

Torana tampoka tao anaty tranomaizina nitazomana azy tao amin’ny biraon’ny zandary tetsy Andoharanofotsy ity lehilahy iray. Nentin’ireo zandary haingana novonjena tany amin’ny Csb teny Ambalavao ity lehilahy ity saingy nony tonga tany dia tsy tana intsony ny ainy. Omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora latsaka teo ho eo no nitranga izany. Raha ny fanazavàna azo  dia ny alakamisy teo no  voasambotra ity lehilahy ity, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka halatra ary natao andrimaso. Nanomboka natao famotorana ity lehilahy ary nilaza sy nanoro ny misy ireo namany. Rehefa nandeha nitady ireo namany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia voalaza fa tsy hita intsony izy ireo. Nampahafantarina ity lehilahy ity izany. Nanomboka teo no nitranga ny aretin’ilay lehilahy. Angamba ny fahafantarany izay vaovao izay no nampisy fihetseham-po betsaka taminy, ka io mety ho nampihetsika ny aretiny io. Raha ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpitandro filaminana hatrany, « taorian’io izy no nihinjinjitra tampoka, raha mbola tao anaty « violon » ary niakarapoka ». Taitra tamin’izay ireo zandary mpiambina ary io izy niezaka nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana io saingy namoy ny ainy ilay lehilahy nony avy eo. Na izany na tsy izany anefa dia tsy mbola fantatra mazava ny tena antony nahafaty ity lehilahy ity ka antony nanokafana manokana fanadihadiana mahakasika izany.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici