- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Lehilahy tra-tehaky ny pôlisy nangalatra vy tao am-piangonana

Andoharanofotsy : Lehilahy tra-tehaky ny pôlisy nangalatra vy tao am-piangonana

Teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, fiangonana iray tao Mahabo Andoharanofotsy no nataon’ireo tontakely lasibatra, ny sabotsy hariva teo. Soa ihany fa teo ireo pôlisy mpanao fisafoana izay mitily sy mijery ireo olona manao fihetsika mampiahiahy anaty elakelan-trano rehetra any. Tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia lehilahy iray tokony ho 30 taona no hitan’izy ireo nanao fihetsika nampiahiahy tao amin’ity fiangonana iray teny an-toerana ity. Rehefa nojerena dia fantatra fa teo am-panongotana ireo vy tao am-piangonana ingahirainy. Nitontonan’ireo pôlisy avy hatrany ka tratra am-bodiomby tanteraka ary tsy nahetsika intsony. Avy hatrany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria, mba hanaovana famotorana.

Amin’izao dia tsy mifidy toerana hanaovan-dratsy intsony ireo tontakely eny fa na dia ireo azo voalaza ho tranon’Andriamanitra aza. Nisy tranga nitovy tamin’izay ihany koa mantsy teny amin’iny faritra Alarobia iny herinandro vitsy lasa izay. Tamin’io fotoana io indray dia tsy mba vy intsony no nangalarin’ireo olon-dratsy tao am-piangonana fa ireo fitaovana rehetra sarobidy tao an-toerana : anisan’izany ny “orgue” sy ireo fanamafisam-peo ary ireo “ecran” tao an-toerana. Azo lazaina ho nanam-potoana mihitsy ireo olon-dratsy nitaona izany fitaovana fiderana an’Andriamanitra izany. Hareto dia tsy mbola fantatra na iza na iza no tao ambadik’izay famakiana fiangonana izay fa efa manao ny asa ny ireo tompon’andraikitra, hikarohana azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici