- Publicité -
vendredi, janvier 9, 2026
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Manamboninahitry ny Tafika karohina noho ny resaka fisolokiana

Andoharanofotsy : Manamboninahitry ny Tafika karohina noho ny resaka fisolokiana

Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Rakotomalala Jean Ernest no namoahan’ny zandary avy ao amin’ny sampan-draharaha fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana ny andron’ny talata 06 janoary lasa teo. Fivadiham-pitokisana, fisolokiana, ireo vesatra hananjehana azy, ary mila hikarohana azy ho amin’ny famotorana. Izay marihana fa miaramila, manamboninahitra teo anivon’ny Tafika an-tanety malagasy, araka ity taratasy fampikarohana laharana faha-008/SRC/2 navoakan’ireo mpanao fanadihadiana ity. Teraka ny 06 novambra 1970 ity olona karohina fatratra ity, tao Alakamisy Ambohimaha. Tao Andoharanofotsy kosa ny fonenany sy nahitana azy farany ary tsy fantatra ny toerana misy azy, antony hanaovana ny fikarohana. “Koa ilazana izay mahita azy mba hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra na koa hiantso ny 034.17.001.47 /034.25.479.59”

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici