- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Miaramila sandoka, saika hosavoritahan’ny olona

Andoharanofotsy : Miaramila sandoka, saika hosavoritahan’ny olona

Ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny tsenan’Andoharanofotsy. Lehilahy iray, hafahafa fihetsika nilaza ny tenany ho miaramila no nitangoronan’ny olona. Ankevitry ny nikasa hisoloky tao angamba ingahirainy ka tsy nanaiky lembenana ireo olona. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity farany, raha tsy mpitandro filaminana sendra nandalo no nanala azy sy nitondra azy avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary teny an-toerana.

« Raha ny endrika ivelany, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary, dia tsy azo heverina mihitsy ho miaramila ity lehilahy ity. Eny fa na dia manao fitafiana maitso misoratsoratra toy  ny an’ireo mpitandro filaminana ihany aza (…) Na ny volo na ny fitafy dia tsy hisy mihitsy ny olona hino sy ho resiny lahatra na hosolokiany ny amin’izany, ka izay toe-javatra izay no nitangoronan’ny olona teo aminy ». Natao fanadihadiana teo no ho eo ihany moa ity lehilahy ity ary fantatra tamin’izany fa « sady tsy tafika no tsy zandary ingahirainy ». Ankoatr izay, nisy ny fisavàna natao azy ka tsikaritra fa nisy fonosan-javatra tamin’ny taratasy tany am-paosiny. Fonosan-javatra, izay tsy inona akory fa rongony maina. Azo heverina fa mety ho nasesiky ny zavatra nofohany ity mpidoroka ity ka io nilaza ny tenany ho miaramila io, hoy ny fanazavana. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa ity lehilahy ity ho amin’ny famotorana azy. Fisandohana andraikitra sy fitanana ary fidorohana zava-mahadomelina, no mety ho vesatra hanenjehana ity farany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici