Roalahy no voasambotra ary mitovy hatrany ny fomba fanaon’ireo. Mampiasa harona plastika izy ireo ary raha vao mikasika izany ny olona hataony lasibatra dia avy hatrany dia tsy tompon’ny tenany intsony. « Vehivavy iray anisan’ny lasibatra no tonga nitaraina tao amin’ny biraon’ny zandary fa raha vao mandray ny harona plastika entin’ireo olona ireo ianao dia tsy tompon’ny tenanao intsony » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Ny zanany lahy no niharan’izany ka lasan’izy ireo fotsiny ny findainy saingy tadidiny, raha araka ny zandary hatrany. Soa fa mba tadidin’ilay tanora ny endrika ka niainga avy amin’izany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Nandeha ny fikarohana ary voasambotra ireo olona. Rehefa nosavaina dia mbola sarona teny amin’izy ireo ny finday nangalarina. Tsy vitan’izany aza fa mbola nisy finday an’olon-kafa koa tratra niaraka tamin’izy ireo. Eny amin’ny manodidina an’Anosibe sy Anosizato iny no tena fanaovan’izy ireo ilay asa fandraikirekena ary matetika dia ny finday hatrany no tena hataon’ireo lasibatra eny amin’olona.
D.R