- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpianaka nosamborina noho ny varotra rongony

Andoharanofotsy : Mpianaka nosamborina noho ny varotra rongony

Ny rainy, 42 taona. Ny zanany kosa dia 23 taona. Indray nosamborina tany an-tranony ireo noho ny fivarotana rongony. Mbola nahitàna fonosana maro rahateo tao amin’io toerana io rehefa nataon’ny polisy ny fisavàna. Ny fanokafana ny fanadihadiana dia niainga tamin’ny olon-tsotra izay nampita mangina ny fisian’io bizna zava-mahadomelina io ao Andoharanofotsy. Tsy afaka nandà intsony ireo olona voasambotra satria hita avokoa ny afera maloto. Nolazain’izy ireo fa eny Ambohimanarina ny fangalàna ireo entana ary tsinjaraina izany avy eo dia amidy eo Andoharanofotsy. Misy hatrany ny voasambotra isan-kerinandro kanefa dia mbola betsaka koa ny miparitaka eraky ny kartie. Ny tena mampanahy aza dia ny fisian’ireo vovo-javatra héroïne sy cocaïne izay tena efa manafika ny tanora, ny sekoly sy ny kartie maro.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici