Eo anatrehan’ny trangana tsy fandriampahalemana mihamahazo vahana amin’izao dia nanao hetsika ireo zandary teny amin’iny faritra Andoharanofotsy. Nisy telolahy voasambotra araka izany teny an-toerana omaly. Voarohirohy ho isan’ireo jiolahy rain-dahiny mpanafika eny amin’ny faritra iny sy ny manodidina izy ireo raha ny fanazavàna azo. Ny somary nanaitra anefa, raha ny angom-baovao dia toa hoe misy amin’ireto voasambotra ireto no mpitandro filaminana miasa amina sampana iray miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika. “Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay” hoy ny fanazavàna azo. Raha izany no mitombina, iza intsony no itokisan’ny vahoaka ? Raha ireo nanantenaina hiaro ny fananana sy nofanina manokana hiady amin’ireo jiolahy maherivaika indray no indro fa lasa jiolahy handroba izany. Samy mahatadidy avokoa angamba ny rehetra ny mahakasika ireo mpitandro filaminana efa-dahy, miasa amina vondrona manokana, tompon’antoka tamina fanafihana mpandraharaha, tany Moramanga, volana maromaro lasa izay.
m.L